Kofta 1

785

KITONOTONO na LAOKA : BROCHETTES DE KOFTA na kefta

Zavatra ilaina :

totokena omby 700g (hena ondry no tena izy)
kotomila voatetika 2 sotro
cumin voatoto 8g eo na ½ sotrokely 
ras el hanout 8 g
thym izay tiana 
origan izay tiana
solila raviny 5
hodim-boasary makirana voakiky ½

Fikarakarana azy :

- Afangaro avokoa ireo rehetra ireo dia avela hilona 1ora hatramin'ny hodim-boasary voakiky 
- Somary lemana ny tanana dia volavolaina ho lavalava toy ny saosisy (kofta) ny ahy eto nataoko lava be  iray fa tsy baolina maromaro
- Atsatoka amin'ny tahona brochette 
- Atono amin'ny fitonoana mahazatra na amin'ny « plaque » eo amin'ny 10 na 12 minitra eo, avadibadika.

Fanamarihana : 
Raha taho-masikita hazo no ampiasaina dia lomana anaty rano mandritry ny 30 minitra aloha vao atsatoka ny hena mba tsy ho may ny taho rehefa atono.

Maivana izy natono sur plaque nefa matsiro. Tsy matavy. Atono tsy asiana menaka, ny taviny totokena aza ahintsan'ny tono. Be otrikaina sy mitondra vokatsoa avy amin'ireo hanitra isan-karazany (oh: antioxydants). Araho tsara fotsiny ny torohevitra fa tsara be.

Salady no nampiarahana taminy.
 

 nahandron'i Noro-Liva Rakotondrasamba nampiharin'i Andry :)

Catégorie: