Korizety voasesika

795

KORIZETY VOASESIKA – Courgettes farcies

ZAVATRA ILAINA:

korzety                          
                                                
sesika: izay tiana fa eto dia :
saosy voatabia kely
fromazy mafy
fromazy “parmesan”
“jambon” kely
basilika

FIKARAKARANA AZY

Hafanaina amin’ny maripana farany ambony ny lafaoro
Sasana tsara ny korzety dia fafana ary zaraina roa manaraka ny halavany
Esorina amin’ny sotrokely ny ao anatiny ka atao toy ny lakana kely
Manao saosy voatabia : esorina ny hodiny dia potserina vao andrahoina amin’ny menaka kely dia asiana sira, na ilay efa amin’ny boaty dia tonga dia andrahoina kely fotsiny aloha
Tetehana madinika ny fromazy mafy ary ny “jambon” , kikisana kosa ny fromazy“parmesan”
Asiana fromazy voatetika ny korzety sasany
Asiana fromazy sy “jambon” kosa ny sasany
Asiana saosy voatabia ary rakofana fromazy “parmesan” daholo avy eo
Ampidirina anaty lafaoro efa mafana tsara
35 minitra eo arakaraka ny lafaoro

Fanamarihana:
- Azo soloina avokoa ny ao anatiny : trondro, mozzarella, akoho, toto-kena sns
- azo andrahoina ao anaty vilany ihany koa izy ity raha tsy misy lafaoro 

Mazotoa o 

Catégorie: