Korzety nendasina

Portrait de Angie
515

LAOKA VEGETARIEN:  KORZETY FRITY - Courgette frite

Fandrahoana korzety tsotra , vetivety, mora nefa matsiro tsara, "recette vegetarienne"

ZAVATRA ILAINA:

Korzety
tongolo be
menaka oliva
sira
dipoavatra raha tiana

FIKARAKARANA AZY

Sasana tsara ny courgette dia tetehina manify kely , asiana sira ary endasina amin'ny menaka oliva.

Rehefa akaiky ho vita dia arotsaka ny tongolo be efa voatetika koa.

Harona matetika fa mora miraikitra satria manify ary ny afo malefaka.

Matsiro be fa mazotoa o !!!

Nahandron' i Vololonirina Raheliarinosy

 

 

Catégorie: