Korzety sy epinara ary hena omby

616

LAOKA RONY : KORZETY SY EPINARA ARY HENA OMBY  (courgette et epinards à la viande)

Zavatra ilaina :

Hena omby
korzety
Epinara
Voatabia
Tongolo gasy
Sakamalaho
Sira

Fikarakarana :

- Alaina ny vilany asiana rano misimisy ary ataingina eo ambony afo mahery 
- Arotsaka ny hena, aroina, rehefa mangotraka ampidinina ny afo
-Tetehina lavalava ny korzety, sasana ny epinara
-Tetehina ny tongolo sy ny sakamalaho ary ny voatabia 
-Rehefa masaka ny hena dia esorina amin'ny vilany na bol ilay rano nandrahoana ny hena (tsy ariana an)
-Averina eo ambony afo, asiana sira, voatabia, arotsaka ny tongolo,aroroina 
-Tapohana ilay rano nandrahoana ny hena , avela hangotraka (afaka manampy « cub'or » 1na 2)
-Arotsaka ny korzety (afo malefaka) andrasana eo amin'ny 15 minitra eo eo!
-Esorina eo ambony afo
-Arotsaka ny epinara, aroroina tsara, saromana (tsy atao eo ambony afo an)
Mazotoa o

Nahandron'i Lila Rajohnson

 

Catégorie: