Laingon'ny korzety

1033

Miarahaba anao indray

LAOKA: LAINGON'NY KORZETY - "fleur de courgette" -  "fiori di zucca " 

Ity dia laoka mora indrindra vita tao anaty 10 minitra , aza ny sary no jerena fa ny tsirony satria tena matsiro sady mahasalama no mora vidy.

ZAVATRA ILAINA:

laingon'ny korzety ilay mavo tsara
tongolo gasy 
sira
menaka oliva 
sakay kely

FIKARAKARANA AZY

Esorina ny tahony sy ny vony ao anatiny (vony ilay mavomavo)
sasana tsara dia tsy tetehana 
Endasina ny tongologasy efa nozaraina roa ary dia esorina ilay manify ao anatiny ohatran'ny voany kely fa iny no tena mampahery fofona azy, raha voatsako dia be ny tsy tia 
Asiana sakay kely izay tiana.
Arotsaka ny laingon'ny korzety dia avela ho masaka, vetivety dia vita ary izay vao asiana sira.
Raha atao amin'ny paty dia andrahoana mialoha ny paty izay vao afangaro , rarahana fromazy voakiky. 
Raha aroso amin'ny vary dia azo asiana lasary kely

mazotoa o

Ingrédients: 
Catégorie: