Laisoa sy atinkena

558

LAISOA nosesefana ATINKENA

zavatra ilaina :

Laisoa = 1
Atinkena = 300 g
Tavikena kisoa =100 g
Sira
Dipoavatra
Tongolo gasy voakiky
Sakamalao voakiky
tongolo = 2
Saosy voatabia au basilic = 2 sotro fihinana
Menaka oliva = 2 sotro fihinana
"Cure dent"

Fikarakarana azy :

1. endahana tsirairay ny ravin 'ny laisoa rehefa vita izay dia mampangotraka rano asiana sira sy poivre. Rehefa mangotraka ny rano dia arotsaka tsikelikely ny ravin'ilay laisoa vao miova loko ka lasa malefaka dia esorina. Atao an 'izay hatrany.
2. Rehefa voadio tsara ny atikena sy ny Tavikena dia tetehana madinika dia atao ao anaty bol lehibe iray. Arotsaka ao ny sira dipoavatra tongolo gasy sy sakamalao voakiky. Afangaroy tsara
3. Alaina ny ravina laisoa efa voakaraka dia asiana ilay fangaro teo ambony dia aforitra miakatra dia tsindromina "cure dent".
4. Maka vilany iray dia alahatra ao ilay nahandro.
5. Maka lapoaly dia asina menaka oliva endasina ao ny tongolo efa voatetika sy ny saosy voatabia misy basilika sy sira ary dipoavatra. Azonao asiana izay hanitra tianao.
6 . Rehefa vita ny saosy teo dia araraka ao anaty vilany misy ny nahandro. Asiana rano 1 vera sy tapany. andrahona amin'ny afo malefaka. Tsy atao ritra be fa misy saosy kely
Mazotoa indray ary ho antsika rehetra izay mankafy ô

Fanamarihana: esorina ny "cure-dent" aloan'ny handrosoana azy, raha misy ambony ny laisoa azo atao fangarondaoka hafa na hanaovana mofo laisoa

Nahandron'i Soa Bonheur Bourmancé

 

Catégorie: