Lasagne sy harikovera

891

SAKAFO MAHALEO TENA : Specialité végetarien italien 
LASAGNE SY HARIKOVERA - LASAGNE AL PESTO E FAGIOLINI- LASAGNES AUX HARICOTS VERTS ET PESTOU

ZAVATRA ILAINA:

Lasitra 28×20 sm

pate lasagne

Ha rikovera 500 g

Pestou

bechamel

Fromazy “provola” 200 g

Fromazy parmesan 70 g  voakiky

Sira

 

FIKARAKARANA AZY:

Andrahoina anaty rano mangotraka efa misy sira kely  ny harikovera , 10 minitra raha ilay efa “surgelé” 20 minitra kosa raha manta. Avy eo dia tatavanina ary atokana aloha.
Manao saosy “bechamel”
Manao saosy Pesto:
Afangaro ny saosy 2:  bechamel sy pesto dia asiana atsasaky ny fromazy parmesan, afangaro tsara
Tetehina zaraina telo ny harikovera,

Alaina ny lasitra dia asiana ilay fangaro saosy 1 sotro be aloha dia aparitaka tsara ao anaty lasitra, alahatra ny pate lasagna,asiana harikovera dia rakofana provola, ary dia rarahana saosy indray dia alahatra indray ny "pate lasagne" dia averina ny rehetra teo amboniny, farany dia asiana "pate lasagne" dia rakofana saosy dia rarahana ny ambin’ny fromazy parmesan.
Ampidirina anaty lafaoro efa nafanaina mialoha ny amin’ny hafanana 180° - mandritry ny 40 minitra, raha  hita fa mitady ho maina loatra ny ambony dia rakofana “papier alluminium” mba tsy ho maina loatra.
Avela hipetraka 5 minitra aloha rehefa masaka izay vao tetehana.

Fanamarihana: azo atao tsara ny mikarakara azy ity mialoha dia “congeler-na” ary avoaka rehefa hihinana , hafanaina misarona ao anaty lafaoro 100° eo amin’ny 30 minitra eo

Mazotoa o

Andry Mamina

Catégorie: