Lasagne sy voatavo

892

SAKAFO MAHALEO TENA : Specialité végetarien italien - LASAGNE SY VOATAVO - LASAGNE DI ZUCCA - LASAGNE AUX POTIRONS

Ho an’olona 12 ity fatra ity saingy izahay olona 20 no nihinana satria moa ny an’ny italiana misy koa ny pitsony vao tonga any amin’ny farany.

ZAVATRA ILAINA:

Lasitra 12

pate lasagna 1kg (4 boaty 250g ny iray) 
Creme liquide 200ml 
Bechamel 500ml : 2 isa efa vonona 
Fromazy “pecorino” 100 g
mozzarella 250g
Fromazy parmesan 70 g  voakiky 
Sira
voatavo 3kg (rano 2 vera)
persila
tongolo be antsasany
 

FIKARAKARANA AZY:

Endasina ny tongolo be voatetika madinika dia arotsaka ny voatavo voatetika , avela mendimendy dia asiana rano 2 vera ary avela hiketrika halemy tsara, rehefa masaka dia asiana sira sy persila voatetika madinika ihany koa. Raha tiana dia azo totohina amin’ny “mixeur” mba ho lasa lakirema tsara ny voatavo.
Eto moa bechamel efa vita no nampiasaina sy “crème liquide”, ka afangaro amin’ny voatavo izany rehetra izany  dia asiana sy ny fromazy pecorino ihany koa.
Tetehina madinika koa mozzarella dia atokana.
Alaina ny lasitra dia asiana ilay fangaro saosy voatavo vita io iray sotro be aloha dia aparitaka tsara ao anaty lasitra, alahatra ny pate lasagna, asiana saosy voatavo indray dia rakofana mozzarella voatetika, dia alahatra indray ny pate lasagna dia averina ny rehetra teo amboniny, farany dia asiana pate lasagna rakofana saosy dia rarahana ny fromazy parmesan.
Ampidirina anaty lafaoro efa nafanaina mialoha ny amin’ny hafanana 180° - mandritry ny 40 minitra, raha  hita fa mitady ho mainy loatra ny ambony dia rakofana “papier alluminium” mba tsy ho maina loatra.
Avela hipetraka 5 minitra aloha rehefa masaka izay vao tetehana.

Fanamarihana : azo jerena ato ny Bechamel vita an-trano 

Mazotoa o 

Catégorie: