Lasary laisoa mamy marikivy

971

LASARY LAISOA MAMY MARIKIVY: - Salade de chou aigre doux – insalata di verza agro dolce

ZAVATRA ILAINA:

laisoa 1/4 
karoty 1 raha tiana

saosy :
ranomboasary makirana na vinaingitra 2 s.f. (sotro fihinanana)
mayonnaise 3 s.f. na ronono 3 s.f.
siramamy mena 2 s.f. 1
sira 2 tsongo

FIKARAKARANA AZY:

Maka antsy maranitra tsara hitetehana manify ny laisoa  .
Azo asina karoty raha tiana ka raha bio ny karoty dia tsy voasana fa sasana tsara fotsiny dia kikisana amin’ny ilay lavaka lehibe mba hitovy habe amin’ny laisoa.
Saosy : afangaro anaty baolina ny rehetra dia kapohana amin’ny “fouet” na sotro rovitra raha tsy misy, mila andramana ny tsiro eto sao tsy mifandanja araka izay hitiavana azy ny mamy masira ary ny marikivy.
Afangaro ny rehetra ary haroina tsara dia avela hipetraka ora iray fara fahakeliny vao aroso amin’izay mandray tsiro tsara hatrany anatiny.

mazotoa o 

 

Catégorie: