Lasary manga

1113

 

LASARY MANGA – SALADE DE MANGUE- INSALATA DI MANGO

ZAVATRA ILAINA : 

tsy misy fatra fa araka izay ampy ny fianankaviana
manga
menaka oliva
vinaingitra na voasary makirana
siramamy kely
sira
dipoavatra

zavamaintso izay tiana: tongolo maintso, persila na kotomila …

 

FIKARAKARANA AZY:

- Sasana ary voasana ny manga dia tetehina lavalava
- Manao saosy “ vinaigrette” saingy eto dia ampiana siramamy sy dipoavatra  kely
- Asiana zava-maitso kely hampisy loko azy

Afangaro tsara dia vita

Mazotoa o
nahandron’i Minosoa Raoniarimanga 31.12.17

Ingrédients: 
Catégorie: