Lasary tsaramaso sy katsaka

786

LASARY TSARAMASO SY KATSAKA

ZAVATRA ILAINA
tsaramaso mena
tongolo gasy
celeri
oliva maintso
katsaka
Voatabia
tongolo be
thon
Katsaka
sira
menaka oliva 

FIKARAKARANA AZY

Sasana tsara ny tsaramaso mena dia avela hilona indray alina
Kobanina rehefa maraina dia andrahoina mandrapahamasaka azy miaraka amin’ny karoty sy celeri  sy tongolo gasy hanome hanitra azy, ary asiana sira,  tsy atao malemy loatra satria ho atao salady
rehefa masaka dia ampangatsiahina
tetehina avokoa ny tongolo be sy ny voatabia ary ny oliva maintso dia afangaro ao
arotsaka koa ny katsaka sy ny thon dia asiana menaka oliva kely
amboarina ny sira dia aroso
Nohanina tamin’ny nofon-kena nendasina
Mazotoa o

 

Catégorie: