Lasopy legioma

860

MINESTRONE DI VERDURA : LASOPY LEGIOMA

ZAVATRA ILAINA

hanitra: romarin, alloro (?),Tongolo be, tongolo gasy,
legioma: karoty  korzety , persila, ovy , céleri, voatabia, tsaramaso kely , voatavo, poarao, soflera,
sira,
menaka oliva,
dipoavatra raha tiana

FIKARAKARANA AZY

Karakaraina voalohany ny hanitra antsoina hoe “soffritto”: tetehina madinika kely ny tongolo be, karoty, poarao, ary celeri ary endasina amin’ny menaka oliva amin’ny afo malefaka tokony ho 7 minitra eo afangaro matetika, avy eo arotsaka ny tongolo gasy tsy tetehana sy ny hanitra “romarin,  alloro”. Asiana rano kely 1 vera dia saromana avela haka tsiro ao aloha (Ny ahy avy eto dia esoriko ny tongolo gasy)
”Karakaraina ny legioma ambiny rehetra: sasana daholo dia hamainina izay vao tetehina efa-joro madinika avokoa ary arotsaka avokoa, avela hifangaro tsara aloha ary rehefa afaka 10 minitra indray izay vao ampiana rano mahasarona ny legioma dia avela hiketrika amin’ny afo antonony 30 minitra. Arotsaka eto ny persila voatetika madinika. Ary avela hiketrika 10 minitra indray,
Totohina amin’ny robot na mixeur , plongeur sns ho lasa lakirema
 Azo aroso avy hatrany raha tiana ho marihatra ary rarahana fromazy parmesan , azo hohanina amin’ny “crouton”:  tetehana ny mofo dia atsofoka anaty lafaoro, hatono na hatao mendimendy amin'ireny lapoaly tsy mila menaka ireny

Raha tiana hisy kosa dia ampiana rano dia azo androtsahana paty na vary indray dia avela ho masaka fa kosa harohina matetika, rehefa masaka dia rarahana fromazy parmesan.

Mazotoa o

Catégorie: