lasopy saonjo

Portrait de Angie
748

LASOPY SINOA: LASOPY SAONJO SY CRABE 

ZAVATRA ILAINA :
saonjo ramandady 500g
ovy lehibe 2
katsaka 3 (tapatapahana)
vomanga 500g
tongolo, sakamalaho
jirofo, étoile d'anis
olatra maina (champignon noir)
sauce soja
sauce huitre
sauce poisson
crabe 1kg
capitaine 500g
anana

FIKARAKARANA AZY :
- Andrahoana atao bebe rano ny saonjo ramandady, ny ovy, ny katsaka (tapatapahana), ny vomanga . Avela hadinty ny roniny

- Maka vilany iray lehibe hafa . Endasina ny tongolo sy sakamalaho voakiky, arotsaka ny crabe sy ny capitaine efa voatetika ka rehefa mivadika ny lokon'ny crabe dia alefa ao amin'izay lay ron'ovy, katsaka , saonjo ary vomanga efa marihatra tsara, dia alefa koa ny hanitra ( jirofo sy étoile d'anis). Avela hangotraka sy ho masaka ny crabe sy ny capitaine.

- 5 minitra alohan'ny handrosoana azy, avela hangotraka be dia alefa ny olatra maina sy ny sauce soja , sauce huitre, sauce poisson afangaro tsara.
- Farany vao arotsaka ny anana, tsy atao masaka be anefa.

Fanamarihana : 
- Azo asiana akoho, legioma, sy izay tiana fa ireo aloa ny nataoko.
- Alana ny jirofo sy ny étoile d'anis alohan'ny handrosoana azy fa manjary ratsy raha voatsako.

Mazotoa ary ô!

nahandron'i Jtoks Joely 

Catégorie: