Lasopy trondro

860

SOUPE DE POISSON 

ZAVATRA ILAINA:

Lasopy: trondron-dranomasina,"poisson de roche" ny fiantso azy , ary tekateka na "moules"
Legioma: karoty, céleri, ovy, poarao, tongolo be , tongolo gasy, karotim-bazaha na hoe "fénouil", voatabia, sira, safran.
Saosy "Rouille" : tamenaka atody, menaka oliva. menaka "tournesol"
Mofo maina na "pain rassis" anaovana "croûtons" 

FIKARAKARANA AZY

Lasopy trondro: 
Endasina ny tongologasy sy tongolo be, ary rehefa mendy tsara dia arotsaka ny trondro kely dia potehina amin'ny sotro hivoka tsara ny tsirony ary afangaro tsara 
Arotsaka ny legioma rehetra voatetika madinika dia tohizana endasina ihany, arotsaka ny safran, sira ary rano 
Avela hiketrika ora iray.

Rouille: toy ny manao mayonnaise:tamenaka atody kapohana "fouet" arotsaka tsikelikely ny karazana menaka roa : oliva sy "tournesol" eto ary asiana sakay mena na "piment d'espelette" sy safran ary sira, (azo asiana tongolo gasy koa raha tiana)

Manao "crouton" :  tetehana ny mofo dia atsofoka anaty lafaoro, hatono na hatao mendimendy amin'ireny lapoaly tsy mila menaka ireny 

 

Andrahoina masakevoka eo ambony lasopy ny trondro sy tekateka na "moule" ka rehefa misokatra n'y moule dia masaka izay ( 10 minitra eo )
Totohina amin'ny "mixeur" ny lasopy dia tsihifina fa be faikan-taolana
Aroso mafana 

Raha tsy tia ilay saosy rouille izay mayonnaise ihany moa dia azo asiana voasary makirana ny trondro sy tekateka 
Marihina fa raha misy dia tsara kokoa ny vokatra bio no ampiasana, ary trondro "sauvage" dia ao tsara daholo ny tsiro.

Mazotoa 

Nahandron'i Niry Rafi

Catégorie: