Legioma anaty lafaoro

699

LEGIOMA ANATY LAFAORO - Légumes au four

Tsotra dia tsotra ary azo hohanina miaraka amin’izay tiana na mofo na vary na hena na couscous…
Azo soloina na ampiana izay legioma misy eny an-tsena ihany koa.

Eto dia nohanina niaraka tamin'ny saosisy natao anaty lafaoro koa.

ZAVATRA ILAIINA :
Ovy
korzety
baranjely sakaibe (poivron lehibe loko samihafa)
sakaibe madinika (poivron kely)
karoty
karoti-tsoavaly(fénouil)
tongolo be
kotomila
menaka oliva
voatabia
sira
Dipoavatra
rano kely na ranon-dasopy
potimofo na "chapelure"

FIKARAKARANA AZY:

1. Voasana ny karoty sy ovy dia tetehana mitovy ny habeany ary arotsaka 5 min ao anaty ranon-dasopy na rano efa mangotraka sy misy sira dia tatavanina. (hanesory kely ihany ity rano ity fa tsy ariana avokoa)
2. Sasana ny baranjely sy ny korzety dia esorina ny lohany avy ary tetehina ihany koa ary toy izay koa ny tongolo, ny voatabia ary ireo karazana sakaibe rehetra.
3. Afangaro daholo ny rehetra ary asiana sira sy dipoavatra ary menaka sy kotomila voatetika madinika.
4. Araraka ao anaty lasitra dia rarahana potimofo na”chapelure”
5. Ampidirina anaty lafaoro efa nafanaina mialoha 180°C 50minitra eo ary ny 10 minitra farany dia akarina 200°C . Io moa dia miovaova araka ny lafaoro sy ny habetsaky ny nahandro. Jerijerena ka raha hita fa milady ho maina loatra dia tondrahana kely 3 na 4 sotro amin’ilay rano natokana.

Azo atao amin’ny lafaoro ady gasy : atao anaty vilany misy na tsy misy fasika ny lasitra misy ny nahandro dia avadika ny takotra ka asiana afo bebe kokoa eo ambony ary kelikely ao ambany dia avela hitanika eo. Nefa mety amin’ny lapoaly ihany koa anefa izy ity raha tsy te hanao lafaoro.

PS: raha tsy tianao ny hahandro ilay ovy sy karoty dia azo atao manta saingy atao madinika kokoa noho ny hafa ilay izy dia mba miara masaka.

Mazotoa o

 

Catégorie: