Lela-kisoa

691

LAOKA : LELA - KISOA
Tsara be sady tsy mandry

Zavatra Ilaina :
lela-kisoa 1 efa miaraka amin'ny foto-delany io
sira
menaka oliva 3 sotro
hanitra izay tiana (tongolo gasy ,sakamalaho)

Fikarakarana azy :
- Andrahoina bolongany, avy eo vosirina ny hoditra amin'ny lelany raha mbola tsy afaka, ary tetehana avy eo
- andrahoina amin'ny rano mandifotra indray, raha mbola tsy malemy dia tapohana rano ( fa io arakaraky ny vilany sy fatana ampiasaina)
- rehefa madiva ho masaka dia asiana hanitra izay tiana ( tongolo gasy, sakamalaho ,...)

- Mety foana izay fangarony na legioma na voamaina na voalena....,fa eto tsy nasiana fangarony fa nanao lasary concombre kely.

Mazotoa o !

nahandron'i Lah Randria

 

Catégorie: