Macaron

Portrait de Angie
600

Ireto misy fanaovana macaron natolotry ny namana. 

 

MACARON AUX CHOCOLATS Nahandron'i ‎Haingnat Rahaj

Ilaina :
"Sucre glace" 120g
sokola 160g
vovoka amande 60g
tapotsin'atody 2
sira 1tsongo
dibera malemy 100g
siramamy izay tiana

- Empoina amin'ny "bain marie" ny sokola 100g.
- Afangaro ny "sucre glace" 80g sy "amande" dia arotsaka ao amin'ny sokola efa natsonika, aroina tsara.
- kapohana hisavovona handroatra fotsy ny tapotsiny sy sira. Arotsaka ao ny ambina "sucre glace" dia kapohina foana.
- Arotsaka ao anatiny ilay fangaro sokola etsy ambony.

- Afanaina ny lafaoro 180°C. Rakofana "papier sulfurisé" ny "plaque".Manao toko eran'ny sotrokely na atao amin'ny "poche à douille" ambonin'ny "plaque". 
- Ampidirina lafaoro 10 - 12minitra.
- Endahana amin'ny "papier" ka avela hangatsiaka.

- Empoina ny ambin'ny sokola dia asiana siramamy sy dibera dia kapohana tsara. Atambatra tsiroaroa amin'io lakirema io ny " macaron" dia vita. Mazotoa

 

Nahandron' i Rama Daniella

Ilaina :
tapotsin'atody 1
"sucre glace" 75g
"amande en poudre" 45g
siramamy 1sotro fihinanana ( io no atao amin'ny tapotsiny ilay amin'ny voalohany ) 
" colorant alimentaire"

- Ataovy mangatsika be ny tapotsiny alohan'ny hikapohana azy amin'izay vetivety sady mitana tsara (ny ahy ataoko ao anaty vata fampangatsiahana 1andro mihitsy)

- Afangaro tsara ny "poudre d' amande" sy ny "sucre glace" ,avy eo tantavanina
- rehefa mangatsiaka tsara ny tapotsin'atody dia kapohana , alefa ny siramamy dia verenana kapohana, asiana "colorant" izay tiana amin'izay (zarazarao raha loko maro no ataonao)
- avy eo, alefa tsikelikely ny "poudre amande" mifangaro dia aroina amin'ny sotro hazo fisaka tsy havela hifotetaka an! somary ampiakarina kely ny sotro rehefa mampifangaro azy 
- zay vao atao amin'ny "plaque" misy "papier cuisson" ilay izy , somary kapohana ny vodin'ilay "plaque" mba hahazo bika ilay izy ary avela hijanona eo amin'ny 30minitra eo mba hiala ilay trace lohany kely ny amin'ilay "douille" , atsofoka anaty lafaoro amin'izay eo amin'ny 10minitra eo 140°C ny hafanana.

Ny "crème" ao anatiny indray "ganache" : 
Ilaina :
"crème liquide" sy "sokola" mitovy lanja (500ml - 500g)
- Afanaina ny crème liquide
- Tapatapahana ny sokola. Rehefa mafana ny lakirema dia araraka ao amin'ny sokola , aroina ho levona ny sokola dia vita.

Azo atao " confiture" koa ny ao anatiny.

 

MACARON nahandron 'i Bao Rakoto

Ilaina :
"sucre glace" 130g
"poudre d'amande" 130g
tapotsin'atody 3
siramamy 100g

Io no zavatra ilaina amin'ny recette ampiasaiko dia ny "astuce" ilay "temps de séchage" 
(croûtage) iny atao elaela tsara , kasihana kely amin'ny tanana rehefa malama tsara sady tsy manaraka ny tanana fa maina tsara, dia zay vao ampidirina lafaoro. 
Dia ny lafaoro afanaina mialoha 180°C fa rehefa hampidirina ny "macaron" dia ampidinina 150°C. 
Andrahoana manondidina ny 13 minitra, raha vao mahery ny 15 minitra dia masaka loatra.
Ny "colorant" ampiasaina, tsara kokoa "poudre" na "gel" fa tsy 
"liquide"

 

Sary :nahandron'i Sandra Enzo David 

 

Catégorie: