Madeleine 3

408

Madeleine

nahavita 16 isa

ZAVATRA ILAINA :

lafarina 150g,
siramamy 100g,
lalovay simika 1/2 fonosana,
atody 2,
dibera 100g,
" sucre vanillé" 1 fonosana

FIKARAKARANA :

- Afanaina mialoha ny lafaoro 180°C 10 minitra

- Kapohana hisavovona handroatra fotsy ny tapotsiny

- Kapohana mitokana koa ny tamavony sy siramamy, dia arotsaka ny dibera, "sucre vanillé" aroina, arotsaka ny lafarina efa nafangaro tamin'ny lalovay, aroina

- Atsofoka anaty lafaoro 180°C mandritry ny 9 minitra

nahandron'i Syndy Zelina Ravololomboahangy 

Catégorie: 
Matériels: