Madeleine Espagnole

Portrait de Angie
1046

Miarahaba o

SAKAFO MARAINA na GOUTER : MADELEINE ESPAGNOLE

ZAVATRA ILAINA : 

siramamy 200g
lafarina 250g
lalovay simika 2càc
atody 4
menaka 200g
ranona voasary sy kikina hoditra voasary 1 

HAINGONY : 
siramamy nasiana loko mena "colorant rouge" fanao amin'ny sakafo dia afangaro tsara 

FIKARAKARANA AZY : 
- hafanaina ny lafaoro
-afangaro ny akora maina rehetra : tatavanina tsy hivaingana ny lafarina sy lalovay
-kapohana hiaraka ho levona ny akora lena rehetra 
-afangaro miaraka ireo
-fenoina amin'izay ny lasitra ary asiana ilay siramamy menamena kely tsirairay avy eo amboniny

FAHANDRO AZY

*Lafaoro vazaha:
-atsofoka lafaoro mafana 250°c mandritra ny 5 minitra
-afaka 5 minitra dia ovaina 200°c mandritra ny 5 minitra indray
-afaka 5 minitra indray dia atao 180°c mandritra ny 5 minitra
izany hoe 15 minitra no totalin'ny faharetany anaty lafaoro
*Lafaoro gasy
Raha lafaoro gasy no ampiasaina, izany hoe vilany asiana fasika dia hafanaina amin'ny afo malefaka ao ambany ary avadika ny sarombilany dia asiana afo bebe kosa eo ambony.
Mila jerena tsara sao may satria tsy fantratra ny tena hafanana 

Mazotoa o 

Nahandro sy sarin'i Bonbon Mamibe -19.08.2017

Afaka zarainao izay vita na eto amin'ny commentaire na koa ao amin'ny facebook 

Catégorie: