Madeleines marbrées

1121

"MADELEINES MARBREES" 

ZAVATRA ILAINA :

atody 2
lafarina 80g
lalovay simika 1/2 fonosana (6g eo)
siramamy 80g
dibera 80g
"chocolat pâtissier" 40g
lavanila ranony 1 sotrokely

FIKARAKARANA :

- Afanaina mialoha ny lafaoro 200°C 10 minitra
- Sarahana ny tapotsiny sy ny tamenaky ny atody
- Atsonika ny dibera dia avela ho matimaty
- Atambatra anaty "bol" ny lafarina, lalovay sy ny siramamy.
- Arotsaka ao koa ny tamenany dia afangaro.
- kapohana mitokana koa ny tapotsiny, dia arotsaka ao avy eo, aroina moramora, alefa koa ny dibera, afangaro.
- Zaraina roa ny paty ka asiana sokola natsonika ny iray ary asiana ranon'ny lavanila ny faharoa
- Omanina ny lasitra, asiana 1sotro isan-davaka amin'io karazana paty 2 io
- Ahandroina 10 minitra amin'ny maripana 200°C.

Nahandro sy sarin'i Dina Ramangatsihoarana 11 fevrier 2018

Catégorie: