Maki saumon avocat

720

Sushi : maki saumon avocat

Zavatra ilaina:

vary natokana ho fanamboarana sushi 100g 
ravina "algues"
zavoka 1
"saumon fumé" no nampiasaiko teto
"vinaigre de riz" (raha tia)

Fikarakarana azy:

Andrahoina amin'ny rrano mafana eo 1/4 litatra eo ny vary efa nosasana.Avela hanagatsiaka rehefa masaka.
Tetehana lavalava ny zavoka
Alaina ny "feuille d'algues" dia asiana vary, avy eo zavoka ary farany ny "saumon" dia ahorona ary atao mafimafy tsara.
Tapatapahana amin'izay avy eo.
Hohanina miaraka am saosy soja (mamy na masira)

Nahandron'i DIna Ramangatsihoarana

Catégorie: