Mananasy sy kanelina

815

TSINDRIN - TSAKAFO : MANANASY MISY KANELINA AMIN'NY LAPOALY 

Zavatra ilaina :
Mananasy 
Kanelina vovony
dibera kely
siramamy

Fikarakarana azy :
- Voasana sy tetehana boribory mainfy ny mananasy
- Maka lapaoly, dia atsonika ao ny dibera kely ary alefa ny didi- mananasy, rarahana siramamy kely sy vovoka kanelina. Avela hiketrika 3 na 5minitra ny lafiny iray, avadika dia atao toy izay koa ny lafiny ilany.
- Atao anaty lovia dia haingoana araka izay itiavanao azy.
Tsara aroso mafana

Mazotoa o !

nahandron'i Syndie Ho

 

Catégorie: