Mangahazo sy ampalibe

405

Mangahazo sy ampalibe ary akondro andrahoana amim-boanio.

azo atao tsindritsakafo na sakafo maraina

Zavatra ilaina 

Mangahazo, ampalibe, akondro, voanio, siramamim-pary na siramamy gasy

Fikarakarana azy:

Omanina daholo ny zavatra ilaina rehetra, izany hoe :
1. Kikisana ny voanio, alaina ny rononony,
2. Tapatapahina toy ny mahazatra ny mangahazo.
3. Alaina ny ampalibe efa masaka tsara esorina ny voany
4. Arotsaka anaty vilany avokoa ary asiana siramamim-pary na siramamy gasy, 
5. Miaraka andrahoana daholo. Rehefa malemy dia vonona ny hanina. Matsiro tokoa.

Mazotoa o 

Nahandron'i Cotton Wood

 

Catégorie: