Mangahazo sy sojà

954

ODY AM.BAVA FO NA SAKAFO TSOTRA: MANGAHAZO SY SOJA

ZAVATRA ILAINA:

mangahazo lena,
soja maina,
siramamy,
menaka
Azo ampiana zavatra hafa raha tiana.

FIKARAKARANA AZY:

Lomana mandritra ny alina ny soja, atsika hiala ny rano, totoina halemy toy ny voanjo. Arotsaka ao anaty vilany misy rano ho atao ronono, tanehana ela ho masaka tsara ka rehefa tsisy fofona tsony dia masaka.Atsika amin'ny "passoire". Azo hanaovana bolety ny faikany;
Voasana ny mangahazo dia tetehana ary sasana dia andrahoina. Ariana ny ranony rehefa mangotraka kelikely, masahana tsara avy eo ary dia asiana menaka.
Arotsaka ny ronono soja dia asiana siramamy dia vita. 
Mazotoa o 

Nahandron'i Mbola Eliane 

 

Catégorie: