Marinade

529

FOMBA FIKARAKARANA "MARINADE" ho an'ny KITONOTONO (barbecue sy plancha)

Misy karazany 2 ny " marinade "
• Ny "marinade mando" : ahitana singa marikivy (vinaigitra, ranom-boasary makirana, labiera, "yaourt", "moutarde"…) izay manalefaka ny sakafo, ary ahitana ireo hanitra (épices ou aromates) manome fofo-manitra ny nahandro. Ny fanampiana menaka kely dia misoroka ny fahamainan'ny sakafo.

• Ny "marinade" maina : manome tsiro (arôme) ny sakafo. Ireto no singa ilaina : hanitra (épices ou aromates, herbes, condiments, huiles parfumées…)

FOTOANA ILAINA HILONAN'NY SAKAFO :
Arakaraky ny hatevin'ny hena na hazandrano.
30 minitra eo ho an'ny hena voatetika manify sy madinika.
Misy koa sakafo mila milona 24ora.
Amin'ny ankapobeny dia 2ora - 4ora eo dia ampy.
Tandremo !!! ny hazandranomasina (fruits de mer et crustacés) dia tsy tokony hilona mihoatra ny 30 minitra satria mety ho masak'ilay marikivy amin'ny "marinade".

NY MAHA ZAVA-DEHIBE ny MARIKIVY :
- Manalefaka ny hena
- Manampy ny hanitra (épices et aromates) hanenika tsara ny nofon-kena na nofon'ny hazandrano ary manamanitra azy
- Tandremo !!! raha marikivy loatra dia hanova ny tsiron'ny sakafo ka mila lanjaina tsara ny fatran'ny marikivy sy hanitra ary menaka.

FIHAZONANA ny HENA na TRONDRO mba hisy ranon-dranony :
- Arakaraky ny fandrahoana ny hena no mampihena ny ranony sy maha maina azy. Izay no antony hanapohana menaka ny "marinade" mba tsy ho maina loatra ny hena. Ny tena tsara ampiasaina eto dia menak'oliva, fa afaka atao ny menaka mahazatra anao koa, tsy maninona.

FIKARAKARANA "MARINADE" :
- Tokony hanenika tsara ny hena, ny trondro na ny legioma ny "marinade". Ny tena tsara dia atao anaty "sac congélation" izy dia hidina, ahontsana tsara hifangaro ary avela hilona anaty vata fampangatsiahana. Azo atao anaty "plat en verre" na plastika, fa ny "papier aluminium" ihany no tsy dia tsara satria manova tsiro ny "marinade"

IREO HANITRA MANDRAFITRA ny "MARINADE" :
- Ny "épices" sy " herbes (fraîches ou sèches)" no tena antony.
- Afaka manampy izay tianao manokana ianao (siramamy, tantely na "sirop d'érable).
- Ho an'ny antsoina hoe " saveurs exotiques" dia afaka mampiasa ireto : "sauce soja, sauce poisson nuoc mam, sauce Worcestershire, Tabasco…"

"MARINADE" FOTOTRA vitsivitsy :

1) "marinade classique" : menak'oliva, voasary makirana, thym

2) "marinade barbecue à l’américaine" : ketchup, sauce soja

3) "marinade à l’indienne" : yaourt, ghee (beurre clarifié) na menaka, garam masala na carry, sakamalaho, ranom-boasary makirana

4) "marinade à la japonaise" : miso, vin de riz (mirin), vinaigre de riz, ciboules voatetika, sakamalaho voatoto, huile de sésame grillé

5) "marinade tex-mex" : menak'oliva, ranom-boasary makirana, sauce soja, sauce Tabasco, origan, thym

6) "marinade à la dijonnaise" : mayonnaise, moutarde, voasary makirana, thym, tongolo gasy, tongolo mena madinika ( échalotes)

7) "marinade aigre-douce" : tantely, ranony sy kikina hodim-boasary makirana, sakamalaho voakiky

Nadika sy nalain'i Vero Randriam tao amin'ny aterineto

Catégorie: