Masikita saosisy pané

825

TSAKITSAKY: MASIKITA SAOSISY PANE' - Hot dog on stick 

 Zavatra ilaina

saosisy “wurstel” fanaovana “hot dog” lehibe 2
lafarina vita amin’ny katsaka 1boaty yaourt
Lafarina tsotra ½ boaty yaourt
tamenakatody 2
Siramamy 1sotrokely
Lalovay 1 sotrokely
sira
ronono 1 boaty yaourt
menaka fanendesana
Hazo na vy fanaovana masikita

 

Fikarakarana azy:

Manamboatra paty ka atambatra daholo ny lafarina karazany roa sy ny tamenany, siramamy, sira ary ny lalovay. Atao amin’ny “mixeur” raha misy.
Arotsaka ny ronono dia kapohina ihany hifangaro tsara amin’ny “mixeur”
Fafana amin'ny "sopalin" aloha ilay saosisy rehefa miala ao anaty fonony fa somary mandomando, ny ahy nozaraiko roa ny saosisy iray fa lehibe loatra ka tsy omby lapoaly na koa tsy lanin'ny ankizy, fa azo tsy tapahana anefa, avy eo dia atsofoka amin’ny hazo na vy toy ny manao masikita
Ampidirina ao anaty paty somary rarahana amin’ny sotro manodidina fa tsy mahazo tsara raha atao amin’izao.
Endasina amin’ny menaka mafana sady mandifotra azy
Apetraka amin’ny taratasy na “essuit tout - sopalin” mba hiala ny menaka dia aroso mafana

Mazotoa oo

 

Catégorie: