Menakely

Portrait de Angie
1177

Miarahaba am-pifaliana,

Ela ela tsy nizara ireo nahandron'ny malagasy ao amin'ny vondrona malagasy mizara nahandro dia hanomboka eto dia hiezaka hametraka izany eto indray. 
Hanombohana azy dia ity mofo menakely natolotr'i Julietta Gie ity izay tsotra sady mora tokoa.  Mazotoa ary

MOFO MENAKELY

ZAVATRA ILAINA

Lafarina 200g
Kobambary 125g
Siramamy 100g na izay mety aminao
Rano na ronono 350ml
Lalovay simika 7g (Lévure)
Atody 1

FIKARAKARANA AZY 

- Afangaro ny fangaro maina rehetra: lafarina, kobambary, siramamy, lalovay. 
- Arotsaka tsikelikely ny rano na ronono ary ny atody dia kapohina mba tsy hisy mivaingambaingana. (mety ny "fuoet")
- Avela hilona ora iray
- Hafanaina amin'ny afo antonony ny menaka ka rehefa mamay dia hahena ho afo malefaka.
- Arotsaka ny paty hahazo bika 0 

Mazotoa ary o 

Nahandro sy sarin'i Julietta Gie 05-11-2020

Ingrédients: 
Catégorie: 
Matériels: