Mille feuilles de saumon fumé

1011

MILLE FEUILLES DE SAUMON FUME'

ZAVATRA ILAINA

 “feuille de brick”( Paty sambos/nem efa vita)
menaka
Saumon fumé ( azo soloina thon fumé) 
Crème liquide
Legioma: betiravy, vomanga, petipoa, “fenouil” 
voasary makirana
persila

FIKARAKARANA AZY:

-Didina amin’ny “emporte pièce” ny “ feuilles de brick “ dia hosorana menaka ary ampidirina anaty lafaoro mafana 180° mandritry ny 7-10 minitra eo, vao miova loko dia vita.
 - Andrahoina masakevoka ny betiravy : sasana tsara dia tetehana manify misopirana ary mampangotraka rano anaty vilany be, avy eo apetraka eo ambony ny lasitra misy ny betiravy voatetika dia saromana ny vilany ka ilay entona mafana iny izany no manamasaka azy.
- Tetehana manify ny vomanga dia atono eo amin’ny “plancha” ka rehefa masaka dia apetraka ambony vilia toy raozy
- kapohana ny crème liquide mangatsiaka dia asiana “fenouil” kely  sy saumon fumé kely samy voatetika madinika ihany koa, raha ilaina dia asiana sira kely

FANAINGOANA AZY:
Maka vilia dia ny vomanga no apetraka voalohany atao toy ny raozy
Apetraka eo amboniny ny “ feuille de brick “efa doré
manaraka ny betiravy sy ny “crème fouettée”
Apetraka eo amboniny indray ny “ feuille de brick “efa doré
Asiana “saumon” voatetika manify ary voasary makirana sy persila
 
Mazotoa o
Nahandron’i Niry Rafi 

Catégorie: