Mine sao special

882

SAKAFO MAHALEO TENA : MINE SAO SPECIAL - Misao

ZAVATRA ILAINA:

Paty "nouille" izay sahaza ny mpianakavy (ny ahy teto nisy tsiro akoho sy crevette ilay nouille)
harikovera
karoty
kotomila
nofon'akoho
nofo-kisoa
tongolo be voatetika lavalava
tongolo gasy voakiky
sakamalaho voakiky
tantely 2 sotro fihinanana
saosy soja 2 sotro fihinanana
"vinaigre de riz" 1 sotro fihinanana ( azo soloina vinaingitra fotsy)
"sauce d'huitre" 2 sotro fihinanana
5 épices 1 sotro kely safoina
menaka
sira

FIKARAKARANA AZY:

1/ rehefa voadio ny nofon'akoho dia tetehana lavalava manify, atao anaty lovia jobo dia lomana tongolo gasy, sakamalaho sy "vinaigre de riz" ary menaka 1 sotro, asina sira kely dia avelao hipetraka eo hilona, ny ahy nandritra ny alina satria sakafo atoandro
2/ rehefa voadio ihany koa ny nofo-kisoa dia tetehana lavalava manify, atao anaty lovia jobo dia lomana saosy soja 1 sotro fihinana, "sauce d'huitre" 1 sotro fihinana, tantely, 5 épices, menaka 1 sotro fihinanana, avelao hipetraka hilona eo, mbola nandritra ny alina koa io teo
3/ andrahoana toy ny mahandro pâte rehetra ny "nouille", mampangotraka rano misy sira ka rehefa mangotraka dia arotsaka ny "nouille", rehefa hita fa masaka dia esorina ary tsihifina dia atokana aloha
4/ rehefa vaodio sy voakarakara ny karoty sy ny harikovera dia andrahona atao masak'entona ka tsy atao malemy be, dia avela itokana koa.
5/ afanaina ny lapoaly tsy misy menaka ka rehefa mafana dia arotsaka ny nofo-kisoa efa nilona, arorona ka rehefa mendy mitera menaka dia vita izy izay, atao toy izay koa ny nofon'akoho, avela itokana ihany koa
6/ somary endasina ny tongolo be sy ny harikovera ary ny karoty dia avela itokana hatrany
7/ maka lapoaly lehibe na wok raha manana, asiana menaka kely ka rehefa mafana dia arotsaka ilay "nouille" efa masaka, asiana saosy soja 1 sotro sy "sauce d'huitre" 1 sotro, afangarongaro, alefa manaraka ny harikovera sy ny karoty efa vita karakara teo aloha, dia afangarongaro hatrany, avy eo arotsaka indray ny nofo-kisoa sy ny nofon'akoho efa voakarakara teo aloha dia afangarongaro tsara, eto dia atao afo mahery mandram-pifangaro azy rehetra
8/ vonoina ny afo dia arotsaka ny kotomila voatetika aroso mafana, 
mazotoa indray

Nahandron'i Soa Bonheur 

 

Catégorie: