Mini croissant salé

854

ODY AM-BAVA FO: MINI CROISSANT SALE'

ZAVATRA ILAINA

pate feuilletée 1 efa vita 
saosisy wrustel lay fanaovana hot dog
fromazy na mozzarella 
tamenaka atody

 

FIKARAKARANA AZY:

Velarina ny pate feuilletée dia zaraina 4 dia avy eo ny iray amin'io indray nozaraina  3 dia lasa12 isa izany , afaka zaraina 2 raha iana ho lehibe kokoa ny croissant
Tetehina ny saosisy dia asiana isaky ny pate feuilletée efa voazara 
Tetehina koa ny mozzarella na fromazy dia atao eo 
Aorona ny pate ka ilay lehibe no ahorona toy ny tsihy makany amin'ilay kely 
Rehefa vita daholo dia alahatra ambony "plaque four" efa nasiana "papier cuisson" dia lalorina tamenaka atody tsirairay.
Ampidirina anaty lafaoro efa nafanaina mialoha 10-15 minitra eo amin'ny hafanana 180° rehefa mena tsara dia vita 

Mazotoa 

NB: azo ovaina araka izay tiana ao anatiny na thon, charcuterie, legioma efa masaka, sns raha mamy kosa dia azo atao kaonfitiora, sokolà, lakirema sns 

 

 

 

Catégorie: