Mofo baolina 1

8

MOFO BAOLINA

ZAVATRA ILAINA :

atody4,

lafarinina 500g,

Lalovay simika 1 fonosana,

siramamy200g,

yaourt nature 1pot,

menaka 2 càs

FIKARAKARANA AZY:

Kapohana miaraka ny atody sy ny siramamy rehefa miova loko somary fotsy dia arotsaka ny lafarinina sy ny lalovay dia afangaro tsara

Arotsaka ny yaourt sy ny menaka dia afangaro;

Avela hilona kely mandritry ny ora iray;

Raisina amin'ny sotro kely fa mitombo be dia tsy atao feno ny vilany rehefa manendy azy

Atao afo malefaka

Fanamarihana:
- tsy mampiasa rano mihintsy fa raha tsy misy yaourt dia azo soloina ronono;
- ny menaka hanendasana azy koa dia mila atao betsaka ny ao anaty saba fa izy aloha tsy mandany menaka

 

Mazotoa o 

Nahandron'i Dina Ramangatsihoarana

 

Catégorie: 
Matériels: