By Andry Rakotomavo
mofo goavy
zaraina ampifaliana indray ity gouter ity fa misy maro no tia goavy , sady mora no mahasalama tokoa izany
mofo goavy na roulé de goyave
afaka tao amin'ny pain de mie , na koa genoise fanao amin'ny buche de noel na koa raha tena te hisahirana bebe kokoa dia amin'ny pate feuilleté
ny ataoko eto dia amin'ny pain de mie
Maka pain de mie lehibe iray dia didiana manaraka ny halavany fa tsy sakany, tokony ho 2-3 cm eo,
atao ambony latabatra dia dia somary kosehana tavoahangy na rouleau kely ho fisaka kokoa ary hitambatra tsara ny nofony.
Rehefa fisaka dia asiana confiture goavy na izay karazany confiture tiana atao ao anatiny
rouler-na toy ny manao buche de noel, ary dia fonosina papier film eo amin'ny 1 h atao anaty frigo
rehefa vita izay dia tetehina amin'ny antsy maranitra tsara, tokony 3 cm na 4 cm mba tsy ho sarotra raisina.
Atao ambony vilia dia ampihaingoina araka izay tiana
Mazotoa indray ary o
- Connectez-vous ou inscrivez-vous pour publier un commentaire