Mofo mangahazo

458

MOFO MANGAHAZO

Andramo fa tena tsara

ZAVATRA ILAINA : 
Mangahazo 1kg
Siramamy mavokely 300g
Voanjo iray kapoaka
Rano eraky ny tasy

FIKARAKARANA:

- Kikisana ny mangahazo (râpé)
- Alona siramamy sy rano antsasakadiny
- Endasina ny voanjo dia totoina atao mivaingambaingana fa tsy potehana be (granulés)
- Hosorana menaka kely ny lasitra (moule à tarte) dia arotsaka sy aparitaka tsara ny antsasaky ny mangahazo, rarahana ny antsasaky ny voanjo eo amboniny dia saronana ny antsasaky ny mangahazo. Araraka koa ny ambin'ny voanjo.
NB: tsy fihazana fa iny ranony izy mihitsy aza no araraka ao manjary mafy be ilay mofontsika

Atao lafaoro 150° mandritra ny 30minitra.  Fa raha tsy manana lafaoro dia azonao atao afo malefaka ambony ambany amin ny afo charbon.
Na atao bain marie fa ilay voanjo fotsiny somary endasina kely miaraka amin'ny siramamy homenamena vao arotrsaka. Eo amin'ny 20mn eo dia vita. 

Mazotoa daholo

Nahandron'i Raly Ranto

Catégorie: