Mofo mangahazo sy akondro

1006

GOUTER NA ODY AM-BAVA FO: BEIGNET DE MANIOC AU BANANE - MOFO MANGAHAZO SY AKONDRO

ZAVATRA ILAINA

Mangahazo 2 lehibebe
Akondro masaka tsara 2
atody 2
lafarina 2 sotro
menaka fanendasana
siramamy kely
lavanila raha tiana
 

FIKARAKARANA AZY

- Voasana ny mangahazo dia sasana ary kikisana madinika amin’ny fikikisana karoty, somary fihazana amin’ny tanana mba hiala ny ranony
- arotsaka ny atody dia volavolaina tsara hifangaro
- arotsaka ny akondro voapotsitra amin’ny sotro rovitra
- arotsaka ny lafarina sy ny lavanila (didiana roa dia ilay maintikely ao anatiny no ampiasaina) – arotsaka koa ny siramamy dia afangaro tsara daholo (ny siramamy teto nototoina ho lasa vovoka )
-maka vilany kely dia asiana menaka bebe , rehefa mafana dia arotsaka ny “beignet” ka raisina amin’ny sotro dia  atao kelikely ho masaka tsara ny ao anatiny, tsy atao be am-bilany rehefa manendy azy fa manjary mampidina ny hafanan’ny menaka.
- apetraka ambony taratasy na “sopalin” rehefa masaka mba hitsika tsara ny menaka

Fanamarihana
Azo aroso mafana na mangatsiaka fa tsara foana sady malefaka be
Eto dia norarahana “sucre glace” fa azo hohanina miaraka amin’ny sokolà natsonika na koa “glace”.

Mazotoa 

Ingrédients: 
Catégorie: