mofo paoma sy akondro

138

MOFO PAOMA SY AKONDRO 

Inona ary ity misary lakana,
Sa koa hoe misary fanondro?
Hitaingenan'ireo sary vakana?
Mofo paoma io sy mofo akondro!

Voasana tsara ny paoma,
dia esorina ny eo afovoany,
Tsy maninona raha somary goana,
satria tsy tsara loatra ny voany!

Dia zaraina telo @ sakany avy eo
somary atao matevina hatrany,
Ny akondro kosa zareo,
iny iray manontolo iny ihany!

Ny pâte à frire indray atao,
Atody 1, farine 4 sotro lehibe,
Ny siramamy aza hadinonao
Ary koa ny sucre vanillé !

Asiana atin'ny vanille avy eo,
sy ronono Masaka atsasa-bera,
Dia afangaroy tsara izy ireo,
Tsy asiana menaka na koa dibera!

Ny menaka indray hafanaina,
Tsy anaty lapoaly fa @ vilany,
hatreo @ hahavon'ny akondro no ilaina
Raha ts'izay mety hiraraka @ tany!

Dia atsoboy ao anatin'ny pâte
ny paoma na ny akondro ho endasina,
Tandremo ny menaka sao matimaty,
fa miporetaka eo sy zary fesina!

Izay fotsiny dia vita!
Hibitaka indray Rainilita !

Tononkalo sy nahandron'i Mamiarisoa Lalao RALAITSIROFO

 

Catégorie: