Mofo poireaux

495

 

MOFO SAKAY na MOFO POIREAUX 
 

ZAVATRA ILAINA :
Poireaux
lafarina 300 g
kobam-bary 5 sotro fihinana
Voatabia 2
Sira
Sakay
Rano

FIKARAKARANA :

1. Sasana madio ny poireaux sy voatabia dia tetehana madinika.
2. Maka bol lehibe dia arotsaka ao ny poireaux sy voatabia voatetika. Ny lafarina, ny kobam-bary, sira sy ny sakay. Afangaro tsara ireo rehetra ireo.
3. Rehefa mifangaro tsara ireo dia alefa tsikelikely ny rano ka rehefa mahazo paty tsy dia matsora be dia vita
4. Afanaina ny menaka atao mafana amin ny afo malefaka. Dia endasina.
Mazotoa indray ary ho antsika izay mankafy ô.

Nahandron'i Soa Bonheur Bourmancé

Catégorie: