Mofo satro-boninahitra

453

 MOFO SATRO-BONINAHITRA 

ILAINA :

mofo (boulot au sésame tranché) no nampiasaiko (toy ny mofo dipaina boribory izy io ary misy grains de sésame) 
vache qui rit (izay ampy)
cervelas 1
voatabia (izay ampy)
atody 5
lafarina 1 sotro
ronono 200ml
sira sy dipoavatra
fromazy voakiky 200g (na izay ampy)

FIKARAKARANA :

- Afanaina mialoha ny lafaoro 190°C 10 - 20 minitra
- Hosorana "vache qui rit" ny lafiny 1 tsirairay avy
- Maka lasitra boribory , hosorana dibera dia alahatra ao ny mofo
- elanelanina "cervelas" efa notetehana boribory manifinify sy voatabia notetehana boibory manify. 
- Fenoina "cervelas" sy tapaka mofo ny afovoany. 
- kapohana ny atody sy ny lafarina, ny ronono, ny sira sy dipoavatra ary aararaka eo amboniny, rakofana fromazy voakiky
- atao anaty lafaoro190°C mandrapahamavo ny eo amboniny, 45minitra eo ho eo. Vita !

Nahandron'i Bonbon Mamibé

 

Catégorie: