Mofo voanio

714

MOFO COCO - MOFO VOANIO
ny ahy voanio vovony efa maina no nataoko satria tsy nisy voanio vaovao nokikisana .

Zavatra ilaina :
- coco vovony 125g
- farine 250g
- siramamy (zay tiana ny fatrany)
- rano kely

Fikarakarana azy:

Nalaina ny voanio vovony dia nafangaro tamin'ny siramamy, avy eo nolomana rano kely mandrakotra azy.
Rehefa avy nolomana tokony 15minitra teo dia notatavanina hisaraka ny ranony nandomana azy sy ilay voanio.
Avy eo nafangaro ny voanio (efa lena izany) sy ny lafarinina ; ary narotsaka tsikelikely ilay rano nandomana ilay voanio, mandra-pahazo paty madity tsy miforetaka anefa.
Volavolaina amin'ny tanana somary boribory fisaka, dia endasina amin'ny menaka mafana,
Apetraka ambony taratasy "emballage" na "sopalin" hitsika tsara ny menaka .

NB:  tsy mila lomana rano raha tena voanio satria efa mando rehefa voakiky

Nahandron'i Maheritiana Faraniaina Rasandiharisoa

 

Catégorie: