Mofo voasesika

Portrait de Angie
603

PAIN FARCI
ny recette sy ny fikarakarana dia mitovy amin’ny manao PAO afatsy ny fandrahoana azy

PATE:
lafarina:300g
siramamy: 3càs
Sira: ½ càs
Lalovay "Levure boulangère": 1 càs
menaka: 3càs
ronono matimaty : 1 kopy kely

NY SESIKA (izay tianao)
Totokena
karaoty rape
tongolo maintso
épices
Fromage rapé
sauce soja

FIKARAKARANA
Aravona anaty ronono ny lalovay,
Arotsaka anaty bol ny lafarina, sira, siramamy, atody voakapoka, menaka, huile, ary ny lalovay sy ronono
Atambatra ireo, dia tokony ahazo paty mitambatra malefaka tsara isika
saromana lamba dia avela hipetraka 1h, mandrapitombo avo roa heny ny paty

Mandrampiandry ny paty dia karakaraina ny sesika :
Endasina miaraka ny zavatra ilaina rehetra afa-tsy ny "fromage rapé"
Rehefa vita ny paty , niakatra tsara, dia zaraina maromaro, mahavita 7 - 10 boribory eo ho eo
fisahana dia asiana sesika tsirairay, eo ambony sesika no asiana ny "fromage rapé" (jereo ny sary)
Ahorona toy ny manorona PAO fa eto izy, somary fisahana amin’ny Tanana mba hivelebelatra kokoa
Alahatra ambony plaque amin’izay dia tracéna amin’ny antsy ny eo ambony
Avela hipetraka eo ora iray eo ho eo indray hitombo ilay pate
(hatreto raha PAO no atao fa vapeur ny cuisson)

Fa ny atsika eto pain no atao;
Atsofoka anaty lafaoro 180°, 10 à 15 mn,
Mazotoa daholo ary o !

Nahandron'i Nix Diamant

 

Catégorie: