Mofo voatavo 1

368

Mofo voatavo (beignet de citrouille)

Zavatra ilaina:

Voatavo 500g
Lafarina 300g
Siramamy 100g
Atody 3
kanelina vovony
Menaka fanendasana
Sira 1 tsongo

Fikarakarana azy:

1-tetehana efamira madinika ny voatavo dia ahandroina amin'ny rano 1 kaopy
2-sarahina ny tamenak'atody sy ny tapotsiny
3-afangaro ny siramamy 50g sy ny lafarina ary ny tamenak'atody
4-Potserina amin'ny sotro rovitra (fourchette) ho potika ny voatavo dia avela hangatsiaka
5-Afangaro amin'ilay lafarina sy siramamy ary tamenak'atody efa voafangaro teo aloha
6- Asiana sira 1 tsongo ny tapotsin'atody dia kapohina amin'ny "batteuse" na amin'ny "fouet" ho lasa "neige ferme"
7-Afangaro moramora amin'ny voatavo sy lafarina tetsy ambony ilay tapotsiny voakapoka avy eo
8 -Endasina amin'ny menaka mamay dia avela hitsika ambony taratasy ( papier absorbant)
9-Afangaro ny ambina siramamy sy ny kanelina vovony, dia alefa tsirairay ao ny mofo voatavo alohan'ny hihinana azy

Vita tompoko dia mazotoa o 

Nahandron'i Tsito'Saholy Ravelomanantsoa sy fampiharan'i Julie Bim

 

Catégorie: