Mofo voatavo masira

623

MOFO VOATAVO MASIRA

ZAVATRA ILAINA

Voatavo matoy tsara 500g,
lafarina 250g,
lalovay simika safovavan'ny sotro kely,
kotomila,
tongolo maitso,
sira,
atody 1

Fikarakarana

Andrahoina ho masaka ny voatavo dia potsehina avy eo, arotsaka ny farina sy lalovay voasivana,
Arotsaka ny tongolo maitso sy ny kotomila voatetika, asiana sira, dipoavatra, aroina tsara hifangaro
Kapohina ny atody dia arotsaka ao anaty voatavo, aroina hatrany
Afanaina ny menaka, endasina toy ny manendy mofo baolina
Tena tsara tokoa, azo atao laoka vary sosoa na atao gouter ihany koa a
Mazotoa o 
Nahandron'i Anja Anjafitia, nokarakarain'i Aina Rakotoarisoa
 

Catégorie: