Mofo vomanga

467

Mofo vomanga

ZAVATRA ILAINA: 

vomanga 1500ar,
Lafarina 1/4 500ar,
siramamy1/4 500ar,
Coco 1 800ar,
menaka 1/4l 1000ar

FIKARAKARANA:

1-atao caramel kely ny siramamy
2-kikisana ny Coco alefa ao tsy avela ho lasa Bonbon Coco fa afangaro fotsiny.
3-andrahoina amankodiny ny vomanga.
4-voasana dia potserina asiana lafarina kelikely izay mampitambatra azy sy siramamyy kely ho lasa boribory iray.
5- raisina ny lafarina kely afafy amin'ny latabatra dia velarina amin'ny "rouleau" ohatran'ny manao Pizza ho fisaka.
6- maka "emporte piece" na vilia bol kely anapahana azy ho boribory.
7-asina ilay "Coco caramelisé" eo ampovoany dia idina tsara toy ny "demi lune2 amin'ny fourchette.
8-Endasina amin'ny menaka mamay dia vita.

mazotoa

nahandron'i Tsito'Salohy Ravelomanantsoa

 

Catégorie: