Mofokatsaka - Solovolo

220

SOLOVOLO na MOFO KATSAKA

Zavatra ilaina:

katsaka (tsy ilay tanora be moa tsy antitra loatra koa)
siramamy,
dibera kely

Fikarakarana:

esorina hiala amin'ny taolany ny voa katsaka dia totoina miaraka amin'ny siramamy sy ny dibera kely.

Raha efa izay dia fonosina amin'ny raviny ihany (notandremana tsara tamin'ny nanala azy dia sasana).

Asiana lafika amin'ilay taolan-katsaka ao amin'ny fanambanin'ny vilany dia alahatra ao amboniny ireo koba efa voafono,

asiana rano dia andrahoina.

Mazotoa daholo!

de Aina Rakotoarisoa

 

Ingrédients: 
Catégorie: