Mofomamy amin'ny ronono

953

GATEAU AU LAIT CHAUD 

ZAVATRA ILAINA : 

atody 4 , 
lafarina 200g, 
siramamy 200g, 
ronono 160ml, 
lalovay 1 sotrokely " d'extrait levure" , 
dibera 80g

FIKARAKARANA AZY:

kapohana ny atody sy siramamy mandrapahalevona tsara ny siramamy , afanaina atao mafana tsara ny ronono ( tsy atao mangotraka ) sy ny beurre efa natsonika , dia akambana amin ' ny teo aloha , afangaro tsara ireo dia arotsaka ny lafarine sy lalovay efa nosivanina tsara ary kapohina mba hifangaro tsara daholo (batteuse foana no nampiasaiko an ) atao anaty lasitra efa voaosotra dibera dia ampidirina lafaoro efa nohafanaina 180° , 35 minitra.
faran 'izay tsotra sy mora atao nefa tsara fa mazotoa daholo

Nahanadron'i Fanirizo Arimalala 

Catégorie: