Mofomamy katsaka

822

ODY AMBAVA FO na SAKAFO MARAINA : MOFO KATSAKA MASAK'EVOKA

Zavatra ilaina: 

koba katsaka 250g, 
Akondro 3 lehibe
Ronono 125 ml 
creme liquide 125 ml (azo soloina ronono)
siramamy 100 g
sucre vanillé 1 fonosana 

Fikarakarana: 

maka lovia jobo lehibe iray dia ny ronono ny creme sy ny siramamy ary ny sucre vanillé dia kapohina amin'ny fouet mba ho levona ny siramamy
rehefa hita fa levona ny siramamy dia afangaro ao ny akondro efa voapotsitra ary afangaro hatrany
rehefa mifangaro tsara ireo dia alefa tsikelikely ny koba dia afangarongaro hatrany amin'ny fouet
maka vera mazaka mafana dia hosorana menaka na dibera, avy eo dia arotsaka ao ny fagaro ary saromana papier alu tsirairay
maka vilany dia alahatra ao ny vera misy ny fangaro, asiana rano tsy atao mihoatra ny atsasaky ny vera, saromana dia andrahoana amin'ny afo malefaka eo, 
tsindromina amin'ny antsy ka rehefa tsy misy manaraka dia masaka izy izay, esorina ao anaty vilany dia avela angatsika vao esorina ao anatin'ilay vera, teo amin'ny ora iray teo ho eo ny fahamasahany
mazotoa indray ary ho antsika izay mankafy.

Nahandron'i Soa Bonheur

 

Catégorie: