Mofomamy katsaka sy paoma

462

MOFOMAMY KATSAKA SY PAOMA

Zavatra ilaina :

Vovokatsaka = 300 g
Siramamy = 5 sotro fihinana
Paoma fahandro = 2 lehibe (azo atao akondro )
Crème liquide = 125 ml (na ronono na yaourt )
Siramamy = 5 sotro fihinana ho an 'ny paoma
Atody = 2

Fikarakarana azy :

1. Voasana ny paoma dia tetehana, avy eo andrahona amin ny rano kely sy siramamy.
2. Rehefa masaka ny paoma izany hoe malemy tsara dia potsehina amin 'ny fourchette.
3. Rehefa potsitra tsara ny paoma dia atao ao anaty bol lehibe iray. Alefa ao ny atody dia afangaro tsara amin ' ny sotro hazo.
4 . Alefa tsikelikely ny Vovokatsaka dia afangaro tsara hatrany. Rehefa mifangaro tsara dia alefa ny siramamy sy ny crème liquide dia mbola afangaro tsara.
5. Maka moule izay tiana mahazaka mahamay dia hosorana beurre na menaka. Avy eo arotsaka ao ny pâte efa vita.
6 . Atao bain marie eo amin 'ny 1 heure eo. Atsatoka ny antsy ka rehefa tsy misy manaraka dia vita izy izay.

Mazotoa indray ary ho antsika rehetra izay mankafy ô.

Nahandron'i Soa Bonheur Bourmance