Mofomamy mananasy

1116

MOFOMAMY MANANASY -GATEAU à L'ANANAS 

AKORA ILAINA :

Mananasy roa kelikely na iray sy tapany ngeza,
Sokolà- Chocolat noir 100gr,
atody 3,
siramamy 100gr,
dibera 150gr,
lafarinina 150gr,
lalovay iray ny sotrokely,(lévure chimique)
lavanila 1,
ary hanamboarana tamberina (caramel) :
siramamy 100gr sy rano intelo ny sotro fihinanana.

FIKARAKARANA AZY :

  • Atomboka amin'ny tamberina:

Afangaroaro eo ambony afo malefaka ny siramamy sy ny rano mandram-pahaozana ny loko itiavana azy. Ka rehefa tonga izay dia atao eo ambony vilany lalinaty misy rano mangatsiaka be ny vodivilany mba hitsahatra ny fahamasahany fa raha tsy izany dia mitohy elaela vao mijanona.
Rehefa izay dia maka "pinceau" dia tahaka ny mandoko ny mametraka ny tamberina eo amin'iny lasitra hanaovana ny mofomamy. Aza adino ny sisiny lalorina tsara avokoa.
Voasana ary tetehina maromaro boribory ny mananasy iray. Dia apetraka eo ambony tamberina araka izay itiavanao azy ireo tapaka mananasy.

  • Ny mofomamy kosa:

Afangaro mafimafy amin'izay ny siramamy sy ny dibera malemy. Mihamazava ny lokony sady mihamisy erotra toy ny "mousse".
Arotsaka tsirairay ny atody ary tohizana kapohina hatrany.
Afangaro tsara aloha ny lafarinina sy ny lalovay dia avy eo arotsaka.
Tetehina madinika ilay tapaka mananasy iray dia avy eo arotsaka ihany koa.
Alaina indray ny sokolà na “tablette de chocolat noir” tsy esorina ny fonony fa maka "marteau" na izay fitaovana misy dia kapohina fotsiny mba ho potipotika ny sokolà. Rehefa tahaka izay mantsy dia tsy mitovy be ohatra ireny amin'ny mpivarotra ireny ny “pépites”  fa mba hafa kely. Dia izay vao sokafana dia arotsaka ao amin'ilay fangaro. Aroina mba hiparitaka tsara ny mananasy sy ny potika sokolà dia arotsaka ao anatin'ilay lasitra efa misy ny tamberina sy ny mananasy efa nalahatra.

FAHANDRO AZY:

Efa nafanaina mialoha foana ny lafaoro
Atao anaty lafaoro efa nafanaina 200° amin'izay. Dia afaka 20 minitra dia ahena 180°. Arahina tsara ny lokony. Tokony eo amin'ny 45 na 50 minitra eo dia vita.
Miandry kely alohan'ny hamadihana azy. Tandremana tsara satria mavesatra ilay mananasy sy chocolat ao anatiny.

Nahandro sy sarin’i Joelle Philippe 02.02.18

Ingrédients: 
Catégorie: