Mofomamy mananasy

629

TSINDRIN - TSAKAFO na ODY AM - BAVA FO :
MOFOMAMY MANANASY ( GATEAU A L'ANANAS) -

Zavatra ilaina :

Atody 4
lafarina 125 - 150g arakaraka ny haben'ny atody
siramamy 150g
mananasy 1

Fikarakarana azy :

- Voasana ny mananasy, esorina ny eo afovoany dia tetehina atao mitovitovy habe, andrahoina kely amin'ny siramamy avy eo
- Manamboatra tamberina (caramel) amin'ny antsasaky ny siramamy, dia rehefa vita dia araraka eo amin'ny lasitra efa nohosorana dibera na menaka ilay caramel hiparitaka tsara amin'ny fanambaniny iny
- alahatra tsara ny mananasy araka izay endrika tianao
- sarahina ny tapotsiny sy tamenak'atody, kapohina hisavovona handroatra fotsy tsara ny tapotsiny miaraka amin'ny antsasaky ny siramamy ambiny teo, dia avy eo araraka ny tamenak'atody sady kapohana ihany
- araraka tsikelikely ny lafarina (satra raha mampiasa pasoara)
- rehefa vita izay, dia araraka ao amin'ny lasitrae efa misy mananasy milahatra ilay paty
- andrahoina anaty lafaoro efa nafanaina milaoha 180°C mandritra ny 20minitra
- rehefa vita, dia andrasana mangatsiaka, esorina anaty lasitra dia toy izao ny vokatra.

mazotoa manandrana manamboatra o!

 Nahandron'i Virginia Razafy Harison

Catégorie: