Mofomamy mangahazo

851

MOFO MANGAHAZO  - GATEAU MANGAHAZO 

ZAVATRA ILAINA:

mangahazo lena
atody2
"lait de coco"
siramamy araka izay tiana

FIKARAKARANA AZY:

- rapena toy ny karoty ny mangahazo lena
- fihazana ny ranony fa tsy ilaina, afangaro amin'ny siramamy izay tiana
-ampiana "lait de coco",azo alefa ilay vovony raha tiana
- afanaina ny vilany ary araraka ao ny siramamy tokony ho tapaky ny tasy tsy asiana rano
-atsonika ka avela ho menamena somary mainty ny lokony mba hahazoana tamberina (caramel)
-ampiana rano kely hitsiranoka tsy hiraikitra amin ny vilany afahana mampiasa azy
-araraka ao anaty lasitra ilay tamberina tsy atao betsaka fa mangidy
-arotsaka amin'izay ilay fangaro tetsy ambony
-andrahoina atao "bain-marie" amin'izay
-tsindromina amin'ny antsy rehefa heno ny fofony ka rehefa tsy misy manaraka ilay antsy dia masaka.
Fa izaho kosa nanampy atody 2
Mazotoa o ary misaotra ny nizara ny nahandro

 Nahandro sy sary fampiharan'i Vola Nirina - nalaina avy amin'ny nahandro nomen'i Haingo Ravaka Rahaingoharimbolatsoa

Catégorie: