Mofomamy mangahazo sy voanio

1170

Miarahaba o

GOUTER NA SAKAFO MARAINA : GATEAU MANIOC AU COCO

Gâteau mangahazo vao mafana no atolotra am-pitiavana

ZAVATRA ILAINA

Mangahazo lehibe 3
Siramamy izay mahamamy azy
rononom-boanio : "Lait de coco" 400ml
Kikina voanio kely
Voasary makiarana 1
Siramamy hatao  tamberina na hoe "caramel" (tsy dia nivoaka loatra ny "caramel" teto fa nitete tao ambany lasitra)
Rano kely
Dibera kely

FIKARAKARANA AZY 

Kikisana ny mangahazo avy eo afangaro ao ny rononom-boanio sy kikina voanio ary siramamy.
Atambatra ny siramamy kely sy rano kely sy ranonmboasary makirana dia hafanaina ho lasa "caramel" avy eo arotsaka ao anaty lasitra  (ny sisin'ny lalitra dia asina dibera kely).
Arotsaka anaty lasitra amin'izay ilay mangahazo mifangaro  rononom-boanio sns etsy ambony.
Ampidirina lafôro 180° mandritra ny ora iray (1h).
Rehefa mangatsiaka dia avoaka anaty lasitra.

Mazotoa o 

Nahandro sy sarin i Rwindra Ftiavana 23.02.2018

 

 

Ingrédients: 
Catégorie: